MANGATAKA SY MIANGAVY NY HANAMBOARANA HAINGANA NY RN 41 N' NY COMMUNES 13 DISTRICT FANDRIANA IZAHAY BETSILEO FISAKANA !

Destinataire(s) : ANDRIAMATOA PRAIMINISTRA sy ANDRIAMATOA MINISITRY NY FANJARIANTANY SY NY ASA VAVENTY
MANGATAKA SY MIANGAVY NY HANAMBOARANA HAINGANA NY RN 41 N' NY COMMUNES 13 DISTRICT FANDRIANA IZAHAY BETSILEO FISAKANA !

Fanangonana SONIA hanatsarana sy hanamboarana HAINGANA ny lalana na ROUTE NATIONALE 41  (RN41)

KAOMININA MIISA 13 n’ny FISAKANA na Distrika Fandriana  :

Fandriana ville, Mahazoarivo, Fiadanana, Ankarinoro, Imito, Milamaina, Alakamisy Ambohimahazo, Alakamisy, Tatamalaza, Miarinavatra, Tsarazaza, Sahamadio ary Sandrandahy

Tompoko, Efa AMAN -TAONANY marobe izahay vahoakan'i FISAKANA no nijaly fa simba, goakagoaka, potipotika ny lalanay avy eo amin'ny sampanandalana Ikelikapona izay manasaraka ny RN7 mandeha any Ambositra sy ny RN 41 izay mivily aty amin'ny Districta FANDRIANA.

Tena Mijaly izahay Tompoko, nandritra ny taona marobe dia tsy mba nisy nahatsiaro izahay na dia iarahan'ny rehetra mahilala, ny lazan'ny teraky FISAKANA amin'ny Fampianarana. Voninahitry ny firenena malagasy ireo "MANAMPAHAIZANA MAROBE sy MATOTRA " n'ny Betsileo Fisaka, izay miparitaka mizara izay talentany eran'i Madagasikara, eny na any ivelany rehetra any aza, ary farany, maro koe izy ireo no voaantso hitana andraikitra ambony eo anivon'ny fanjakana mba hampandroso ny firenena iraisana.

Koa Miangavy antanandroa izahay tompoko, Vonjeo, fa tena mijaly, tena ory na ny lehilahy mivezivezy amin'ny asa amandraharaha, na ny vehivavy manjary bataina rehefa hiteraka, na ny zazakely marary mila mamonjy ny toerampitsaboana toa ny hopitaly. Ireo mpitady ravinahitra na ny zanaka ampielezana te hamangy ny ray amandreny nahitana masoandro mipetraka ao an tanana moa dia tena mijalijaly koa vao tonga ao antoerana. Ny fanafarana entana ilaina amin'ny andavan'andro any amin'ny faritra ivelany moa dia efa tsy tanisainay eto intsony.

Ny Gouvernorany, ny députénay, ny lehiben'ny Districtanay, ny Maires isaky ny firaisanay, ny lehiben'ny fokontany isany avy, ny manampahefana maro n'ny teraky Fisakana mitana andraikitra ambony eto amin'ny firenena, dia handefasanay kopy mitovy ary entaninay rehetra hiara hanao sonia alohan'ny handefasanay vahoaka mivantana ny fangatahanay any amin'ny Praiministra sy Ministra.


Koa Misaotra indrindra mialoha anareo am panajana, Andriamatoa Praiminisitra sy Ministry ny Fanjariantany sy ny asa vaventy amin'ny tsy hanadinoanareo ny budgets momba ny RN41 nay teraky Fisakana mba hamitana haingana ireo lalana ireo.

Hoy izahay vahoaka Betsileo teraky Fisakana Fandriana avy amin'ny 13 communes.

Anio 5 Aogositra 2021


Auteur : Betsileo Fisakana

<% $t("Number of signatures:") %>

En signant la pétition j'accepte que Les Lignes Bougent traite mes données à des fins de gestion des signatures et des commentaires. J’accepte également d’être informé(e) des actions citoyennes initiées via Les Lignes Bougent. Pour en savoir plus sur ces traitements et sur mes droits, je consulte la politique de confidentialité. Tout commentaire doit respecter la charte des contenus de la communauté LLB. Lire la charte.
<% $t("Hour") %> <% $t("Postal Code") %> Nom
<% signature.lapse %> <% signature.details.postalCode %> <% signature.details.name %> <%signature.details.surname %>

Commentaires